-
Levitikosy 11:13-20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 “‘Ireto avy ny biby manidina tokony haharikoriko anareo, ka tsy tokony hohaninareo satria zava-maharikoriko: Ny voromahery,+ ny hitsikitsika mpihinan-trondro, ny vaotoro mainty,+ 14 ny papango mena, ny karazana papango mainty rehetra, 15 ny karazana goaika rehetra, 16 ny aotirisy, ny vorondolo, ny varevaka, ny karazana hitsikitsika lehibe rehetra, 17 ny vorondolo kely, ny sakaizamboay, ny vorondolo lava sofina, 18 ny gisa mpanidina, ny gisandrano, ny vaotoro, 19 ny vanobe, ny karazana vano rehetra, ny takodara, ary ny ramanavy. 20 Zava-maharikoriko aminareo koa ny bibikely rehetra manana elatra sady mifanaretsaka, ary mandeha tongotra efatra.
-