-
Eksodosy 23:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Aza manaraka ny maro hanao ratsy. Ary aza mamadika ny rariny ka mijoro ho vavolombelona mandainga hiandany amin’ny maro.*
-
-
Levitikosy 19:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 “‘Aza manao ny tsy rariny rehefa mitsara. Aza miandany amin’ny mahantra satria hoe mahantra izy, nefa aza iangarana koa ny manankarena.+ Tokony hanao ny rariny ianao rehefa mitsara ny namanao.
-