-
Eksodosy 23:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Aza iangarana ny mahantra rehefa mitsara ny adiny satria hoe mahantra izy.+
-
-
Deoteronomia 1:16, 17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 “Izao no nampianariko ny mpitsaranareo tamin’izay: ‘Rehefa misy adin’ny rahalahinareo entiny eo aminareo, dia tsarao araka ny rariny+ izay manana ady amin’ny rahalahiny, na amin’ny vahiny miara-monina aminy.+ 17 Aza miangatra rehefa mitsara,+ fa henoy sahala amin’ny lehibe ihany ny madinika.+ Aza matahotra olona,+ fa an’Andriamanitra ny fitsarana.+ Raha misy raharaha sarotra loatra aminareo, dia ento atỳ amiko, fa izaho no hihaino an’izany.’+
-
-
2 Tantara 19:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Dia hoy izy tamin’ireo mpitsara: “Tandremo tsara izay ataonareo, satria tsy mitsara ho an’ny olona ianareo, fa ho an’i Jehovah. Ary manampy anareo izy rehefa mamoaka didim-pitsarana ianareo.+
-