-
1 Samoela 28:7-11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Farany, dia hoy i Saoly tamin’ny mpanompony: “Itadiavo vehivavy mpamoha angatra+ aho. Dia handeha ho any aminy aho hanontany azy.” Ary hoy ny mpanompony: “Misy vehivavy mpamoha angatra ao En-dora.”+
8 Mody nanao olon-kafa àry i Saoly ka akanjo hafa no nanaovany. Dia lasa nankany amin’ilay vehivavy izy ny alin’iny, ary nisy lehilahy roa niaraka taminy. Dia hoy i Saoly: “Manaova sikidy, azafady, ka ampiasao ny fahaizanao mamoha angatra,+ dia ampiakaro hanketo amiko izay holazaiko aminao.” 9 Hoy anefa ilay vehivavy: “Fantatrao tsara ny nataon’i Saoly. Nesoriny tsy ho eto amin’ity tany ity ny mpamoha angatra sy ny mpilaza ny hoavy.+ Koa maninona ianao no mitady hamandrika ahy mba hamonoana ahy ho faty?”+ 10 Nianiana tamin’ilay vehivavy tamin’ny anaran’i Jehovah àry i Saoly hoe: “Raha mbola velona koa i Jehovah, dia tsy ho meloka ianao amin’ity raharaha ity!” 11 Dia hoy ilay vehivavy: “Iza àry no hampiakariko hanketo aminao?” Ary hoy izy: “I Samoela ampiakarina.”
-