-
Deoteronomia 15:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Na izany aza, dia tsy tokony hisy ho lasa mahantra eo aminao, satria tena hotahin’i Jehovah ianao+ ao amin’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrao anao mba ho lovanao.
-
-
Deoteronomia 15:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 “Raha misy lasa mahantra ny rahalahinao ao amin’ny tanànanao anankiray, ao amin’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrao anao, dia aza mafy fo na kahihitra amin’ilay rahalahinao mahantra.+
-
-
Lioka 6:34, 35Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
34 Raha izay antenainareo hamerina ny volanareo ihany no ampisamborinareo,* mendrika ny hahazo dera ve ianareo amin’izany?+ Na ny samy mpanota aza mifampisambo-bola, satria manantena hoe ho tafaverina ny volany. 35 Fa ianareo kosa, tiavo foana ny fahavalonareo, manaova soa hatrany, ary mampisambora nefa aza manantena valiny.+ Amin’izay dia ho lehibe ny valisoanareo ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo, satria izy tsara fanahy amin’izay tsy mankasitraka sy amin’ny ratsy fanahy.+
-