-
Deoteronomia 20:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Iza koa no manana fofombady nefa mbola tsy nanambady an’ilay vehivavy? Aleo izy mody any an-tranony,+ sao maty any an’ady ka lehilahy hafa no hanambady an’ilay vehivavy.’
-
-
Ohabolana 5:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Enga anie hotahina ny loharanonao!
Ary enga anie ianao hifaly amin’ny vadin’ny fahatanoranao!+
-
Mpitoriteny 9:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Ankafizo ny fiainanao miaraka amin’ny vady malalanao,+ mandritra ny fiainana poakaty nomen’Andriamanitra anao etỳ ambanin’ny masoandro, mandritra ny androm-piainanao, izay tsisy dikany. Izany mantsy no valisoanao* eo amin’ny fiainana, sy valisoanao noho ny asa mafy isasaranao etỳ ambanin’ny masoandro.+
-
-
-