-
Deoteronomia 24:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 “Raha vao nanambady ny lehilahy anankiray, dia tsy tokony hanao miaramila na hampanaovina adidy hafa. Tsy tokony hampanaovina adidy izy mandritra ny herintaona fa hijanona ao an-trano, dia hampifalifaly an’ilay vadiny.+
-
-
Mpitoriteny 9:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Ankafizo ny fiainanao miaraka amin’ny vady malalanao,+ mandritra ny fiainana poakaty nomen’Andriamanitra anao etỳ ambanin’ny masoandro, mandritra ny androm-piainanao, izay tsisy dikany. Izany mantsy no valisoanao* eo amin’ny fiainana, sy valisoanao noho ny asa mafy isasaranao etỳ ambanin’ny masoandro.+
-