-
Deoteronomia 14:28, 29Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 “Isaky ny telo taona, dia tokony hoentinao daholo ny ampahafolon’ny vokatra azonao amin’ilay taona fahatelo, ka hapetrakao ao an-tanànanao.+ 29 Dia ho tonga eo ny Levita satria tsy mba omena anjara na lova eo aminao izy. Ho tonga eo koa ny vahiny sy ny kamboty ray ary ny mpitondratena ao an-tanànanao, dia hihinana ka ho voky.+ Amin’izay ianao hotahin’i Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra hataonao.+
-
-
Ohabolana 14:21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Manota izay manao tsinontsinona ny namany,
Fa sambatra izay mangoraka ny mahantra.+
-