-
Deoteronomia 29:10-13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 “Eto anatrehan’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo rehetra androany, dia ny lehiben’ny fokonareo, ny anti-panahy, ny mpifehy eo aminareo, ny lehilahy rehetra eo amin’ny Israely, 11 ny zanakareo, ny vadinareo,+ ary ny vahiny+ mipetraka ao an-tobinareo, hatramin’ny mpaka kitay ka hatramin’ny mpantsaka rano. 12 Eto ianareo mba hianiana sy hanao fifanekena amin’i Jehovah Andriamanitrareo, dia ilay fifanekena ataon’i Jehovah Andriamanitrareo aminareo anio.+ 13 Amin’izay dia hataony vahoakany ianareo anio+ ary izy ho Andriamanitrareo,+ araka izay nampanantenainy anareo, sy nianianany tamin’i Abrahama+ sy Isaka+ ary Jakoba+ razambenareo.
-