-
Josoa 2:12, 13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Koa mba manaova re fianianana amiko amin’ny anaran’i Jehovah e, hoe ho tsara fanahy* amin’ny ankohonan-draiko ianareo satria tsara fanahy* taminareo aho. Ary omeo antoka* aho hoe hitana ny teninareo ianareo. 13 Dia tsimbino ny ain’ny raiko sy ny reniko, ny ain’ny anadahiko sy ny rahavaviko, ary izay rehetra an-dry zareo, ary vonjeo izahay mba tsy ho faty.”+
-
-
Josoa 2:17-19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Dia hoy izy ireo tamin’ilay vehivavy: “Hohajainay ilay fianianana nampanaovinao anay,+ 18 raha afatotrao eo am-baravarankely ity tady mena midorehitra hampidinanao anay ity, rehefa miditra eto amin’ity tany ity izahay. Dia vorio ao an-tranonao ny rainao, ny reninao, ny anadahinao, ary ny ankohonan-drainao manontolo.+ 19 Izay mivoaka any ivelan’ny varavaran’ny tranonao, dia izy ihany no ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany, ary tsy hanan-tsiny izahay. Fa raha misy manjo* an’izay mijanona miaraka aminao ao an-trano kosa, dia izahay no ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany.
-