FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Josoa 10:3-5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Naniraka olona àry i Adoni-zedeka mpanjakan’i Jerosalema mba hilaza an’izao tamin’i Hohama mpanjakan’i Hebrona,+ sy Pirama mpanjakan’i Jarmota, sy Jafia mpanjakan’i Lakisy, ary Debira mpanjakan’i Eglona:+ 4 “Mba ampio aho hanafika an’i Gibeona, fa efa nihavana tamin’i Josoa sy ny Israelita ny mponina ao.”+ 5 Dia nivondrona ireo mpanjaka amorita dimy,+ dia ny mpanjakan’i Jerosalema, ny mpanjakan’i Hebrona, ny mpanjakan’i Jarmota, ny mpanjakan’i Lakisy, ary ny mpanjakan’i Eglona. Ary nandeha izy ireo sy ny tafiny, ka nitoby nanodidina an’i Gibeona mba hiady taminy.

  • Josoa 12:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Be dia be ny mpanjaka tao amin’ilay tany resin’i Josoa sy ny Israelita tetỳ ampita andrefan’i Jordana, manomboka eo Bala-gada+ eo amin’ny Lohasahan’i Libàna,+ ka hatrany amin’ny Tendrombohitra Halaka+ izay miakatra mankany Seira.+ Dia nomen’i Josoa ho fananan’ny fokon’ny Israely araka ny anjarany avy ny tanin’izy ireo+

  • Josoa 12:10-12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 ny mpanjakan’i Jerosalema, iray; ny mpanjakan’i Hebrona,+ iray;

      11 ny mpanjakan’i Jarmota, iray; ny mpanjakan’i Lakisy, iray;

      12 ny mpanjakan’i Eglona, iray; ny mpanjakan’i Gazera,+ iray;

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara