FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 13:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Ary nipetraka tao anaty tranolay foana i Abrama. Tatỳ aoriana, dia tonga teo amin’ireo hazobe tao Mamre+ tany Hebrona+ izy, ka nonina teo. Ary nanorina alitara ho an’i Jehovah teo izy.+

  • Genesisy 23:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Avy eo dia nandevina an’i Saraha vadiny tao amin’ilay lava-bato i Abrahama, teo amin’ilay saha tao Makpela tandrifin’i Mamre, izany hoe tao Hebrona, any Kanana.

  • Nomery 13:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Rehefa niakatra nankany Negeba izy ireo, dia tonga tao Hebrona.+ Tao ry Ahimana sy Sesay ary Talmay,+ izany hoe ny Anakita,*+ no nipetraka. Fito taona talohan’ny nanorenana an’i Zoana any Ejipta i Hebrona no efa voaorina.

  • Josoa 10:3, 4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Naniraka olona àry i Adoni-zedeka mpanjakan’i Jerosalema mba hilaza an’izao tamin’i Hohama mpanjakan’i Hebrona,+ sy Pirama mpanjakan’i Jarmota, sy Jafia mpanjakan’i Lakisy, ary Debira mpanjakan’i Eglona:+ 4 “Mba ampio aho hanafika an’i Gibeona, fa efa nihavana tamin’i Josoa sy ny Israelita ny mponina ao.”+

  • Josoa 15:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ary nomena anjara teo amin’ny taranak’i Joda i Kaleba+ zanak’i Jefone, araka ny baiko nomen’i Jehovah an’i Josoa. Nomena azy i Kiriata-arba, izany hoe Hebrona. Rain’i Anàka io Arba io.+

  • Josoa 21:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ary nomena ho an’ny taranak’i Arona mpisorona ilay tanàna fialokalofan’izay nahafaty olona,+ dia ny tanànan’i Hebrona+ sy ny kijanany. Nomena azy koa i Libna+ sy ny kijanany,

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara