-
Deoteronomia 1:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Koa nalaiko ireo lehiben’ny fokonareo ireo, dia lehilahy hendry sy za-draharaha, ka notendreko ho lehibenareo, izany hoe lehiben’ny arivo, lehiben’ny zato, lehiben’ny dimampolo, lehiben’ny folo, ary mpifehy ny fokonareo.+
-
-
Josoa 1:10, 11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Ary nomen’i Josoa didy ireo mpifehy ny vahoaka hoe: 11 “Mandehana eran’ny toby ka omeo an’izao baiko izao ny vahoaka: ‘Manomàna vatsy, fa hiampita an’i Jordana ianareo rehefa afaka telo andro mba haka an’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrareo anareo.’”+
-