FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 23:33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 33 Tsy tokony hipetraka ao amin’ny taninao izy ireo, sao hahatonga anao hanota amiko. Raha sanatria manompo an’ireo andriamaniny ianao, dia tena ho voafandrika.”+

  • Nomery 33:55
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 55 “‘Fa raha tsy roahinareo hiala eo anatrehanareo ny mponina ao amin’ilay tany,+ dia ho toy ny zavatra malailay amin’ny masonareo ny olona avelanareo hijanona ao, sady ho toy ny tsilo eo amin’ny andilanareo. Hampijaly anareo ry zareo, eo amin’ilay tany hipetrahanareo.+

  • Deoteronomia 20:16, 17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Aza avela hisy zavamananaina ho velona anefa ao amin’ny tanànan’iretsy firenena homen’i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao iretsy.+ 17 Fa aringano tanteraka ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita,+ araka ny didy nomen’i Jehovah Andriamanitrao anao.

  • Josoa 23:12, 13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 “Fa raha miala aminy kosa ianareo ka mifikitra amin’ireo firenena sisa tavela+ eo aminareo, ary mifanambady*+ amin’izy ireo ka mifanerasera aminy ary izy ireo koa mifanerasera aminareo, 13 dia fantaro tsara fa tsy handroaka an’ireo firenena ireo intsony i Jehovah Andriamanitrareo.+ Ho fandrika sy vela-pandrika ho anareo izy ireo, sady ho karavasy hikapoka ny tehezanareo+ ary ho tsilo ao anaty masonareo, mandra-paharipaka anareo tsy ho eto amin’ity tany tsara nomen’i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.

  • Mpitsara 1:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Rehefa nihanahery ny Israely, dia nampanaoviny asa an-terivozona ny Kananita+ fa tsy noroahiny daholo.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara