FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 23:31-33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 “Hataoko manomboka eo amin’ny Ranomasina Mena ka hatrany amin’ny ranomasin’ny Filistinina ny sisin-taninao, ary manomboka eo amin’ny tany efitra ka hatrany amin’ny Renirano.*+ Hataoko resinareo mantsy ny mponina ao amin’ilay tany, ary horoahinareo hiala eo anatrehanareo izy ireo.+ 32 Aza manao fifanekena amin’izy ireo na amin’ny andriamaniny.+ 33 Tsy tokony hipetraka ao amin’ny taninao izy ireo, sao hahatonga anao hanota amiko. Raha sanatria manompo an’ireo andriamaniny ianao, dia tena ho voafandrika.”+

  • Deoteronomia 7:3, 4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Aza manao fifanarahana* aminy, ka hoe omenao ho vadin’ny zanany lahy ny zanakao vavy, ary alainao ho vadin’ny zanakao lahy ny zanany vavy.+ 4 Fa hitarika ny zanakao lahy hiala amiko sy hanompo andriamani-kafa ireny,+ dia ho tezitra be aminao i Jehovah, ka horinganiny ao anatin’ny fotoana fohy ianao.+

  • Josoa 23:12, 13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 “Fa raha miala aminy kosa ianareo ka mifikitra amin’ireo firenena sisa tavela+ eo aminareo, ary mifanambady*+ amin’izy ireo ka mifanerasera aminy ary izy ireo koa mifanerasera aminareo, 13 dia fantaro tsara fa tsy handroaka an’ireo firenena ireo intsony i Jehovah Andriamanitrareo.+ Ho fandrika sy vela-pandrika ho anareo izy ireo, sady ho karavasy hikapoka ny tehezanareo+ ary ho tsilo ao anaty masonareo, mandra-paharipaka anareo tsy ho eto amin’ity tany tsara nomen’i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.

  • Mpitsara 2:2, 3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Ianareo kosa tsy tokony hanao fifanekena amin’ny olona mipetraka eto amin’ity tany ity.+ Tokony harodanareo koa ny alitarany.’+ Tsy nanaraka ny teniko anefa ianareo.+ Fa maninona ianareo no nanao an’izany? 3 Izany koa no nahatonga ahy hiteny hoe: ‘Tsy horoahiko eo anoloanareo izy ireny+ ka hamandrika anareo.+ Dia ho voatarika hanompo ny andriamaniny ianareo.’”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara