FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Josoa 23:12, 13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 “Fa raha miala aminy kosa ianareo ka mifikitra amin’ireo firenena sisa tavela+ eo aminareo, ary mifanambady*+ amin’izy ireo ka mifanerasera aminy ary izy ireo koa mifanerasera aminareo, 13 dia fantaro tsara fa tsy handroaka an’ireo firenena ireo intsony i Jehovah Andriamanitrareo.+ Ho fandrika sy vela-pandrika ho anareo izy ireo, sady ho karavasy hikapoka ny tehezanareo+ ary ho tsilo ao anaty masonareo, mandra-paharipaka anareo tsy ho eto amin’ity tany tsara nomen’i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.

  • 1 Mpanjaka 11:1, 2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Tia vehivavy maro avy tamin’ny firenen-kafa+ anefa i Solomona Mpanjaka, ankoatra an’ilay zanakavavin’i Farao:+ Vehivavy moabita,+ amonita,+ edomita, sidonianina,+ ary hetita.+ 2 Izy ireny dia avy tamin’ireo firenena nolazain’i Jehovah tamin’ny Israelita hoe: “Aza mankany* amin’ireny ianareo, ary ireny koa tsy tokony hankatỳ aminareo, fa tena ho voatariny hanaraka ny andriamaniny ny fonareo.”+ Niraiki-po tamin’izy ireny anefa i Solomona sady tia azy ireny.

  • Ezra 9:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Fa nalain’izy ireo ho vadiny sy ho vadin’ny zanany lahy ny sasany tamin’ny zanakavavin’ireny.+ Dia lasa nifangaroharo tamin’ny mponina manodidina+ ry zareo nefa taranaka masina.+ Ary ny andriana sy ny solontenam-panjakana no voalohany nivadika hoatr’izany.”

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara