-
Eksodosy 34:15, 16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Tandremo sao manao fifanekena amin’ny mponina ao amin’ilay tany. Rehefa manompo an’ireo* andriamaniny sy manao sorona ho an’ny andriamaniny mantsy izy ireo,+ dia hisy hanasa anao, ka hihinana amin’ny sorona ataony ianao.+ 16 Dia azo antoka fa haka amin’ny zanany vavy ho vadin’ny zanakao lahy ianao.+ Ary hanompo an’ireo* andriamaniny ny zanany vavy, ka hitarika ny zanakao lahy hanompo an’ireny* andriamaniny ireny koa.+
-