-
Nomery 35:22-24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 “‘Raha tsy nampoiziny kosa fa voatosiny ilay olona na voatorany zavatra, nefa tsy halany na tsy tiany hovonoina,*+ 23 na raha tsy hitany ilay olona ka voazerany vato, nefa izy tsy fahavalon’ilay olona na te hanisy ratsy azy, ka maty ilay olona, 24 dia hotsarain’ny fiangonana araka ireo didy ireo ilay namely sy ny mpamaly ra.+
-
-
Deoteronomia 19:4-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 “Izao no tokony hataon’izay namono olona ka mahazo mandositra any mba tsy ho faty: Raha nahafaty olona tsy nahy izy nefa tsy nankahala an’ilay olona,+ 5 ohatra hoe tamin’izy niaraka tamin’ilay olona haka kitay tany anaty ala, dia nanainga famaky izy mba hikapa hazo, nefa niala tamin’ny tahony ny lelan’ilay famaky ka nahavoa an’ilay olona ary maty ilay olona, dia tokony handositra any amin’ny iray amin’ireo tanàna ireo izy mba tsy ho faty.+ 6 Raha tsy izany mantsy, dia hanenjika azy ny mpamaly ra,+ raha iny mbola tezitra be iny.* Ary ho tratran’ilay mpamaly ra izy satria lavitra be ny lalana mankany amin’ilay tanàna, ka hovonoiny ho faty. Tsy mendrika ny ho faty anefa izy satria tsy hoe nankahala an’ilay olona izy talohan’izay.+
-