-
Deoteronomia 19:4, 5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 “Izao no tokony hataon’izay namono olona ka mahazo mandositra any mba tsy ho faty: Raha nahafaty olona tsy nahy izy nefa tsy nankahala an’ilay olona,+ 5 ohatra hoe tamin’izy niaraka tamin’ilay olona haka kitay tany anaty ala, dia nanainga famaky izy mba hikapa hazo, nefa niala tamin’ny tahony ny lelan’ilay famaky ka nahavoa an’ilay olona ary maty ilay olona, dia tokony handositra any amin’ny iray amin’ireo tanàna ireo izy mba tsy ho faty.+
-
-
Josoa 20:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 “Ilazao ny Israelita hoe: ‘Mifidiana tanàna fialokalofana ho anareo,+ araka ny efa nolazaiko taminareo tamin’ny alalan’i Mosesy, 3 mba ho afaka handositra any izay nahafaty olona tsy nahy na nahafaty olona noho ny zavatra tsy nampoizina.* Ho fialokalofana ho anareo ireny tanàna ireny, mba tsy ho tratran’ny mpamaly ra ianareo.+
-