FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nomery 35:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Fidio izay tanàna mety aminareo, mba hatao tanàna fialokalofana handosiran’izay nahafaty olona tsy nahy.+

  • Nomery 35:22-25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 “‘Raha tsy nampoiziny kosa fa voatosiny ilay olona na voatorany zavatra, nefa tsy halany na tsy tiany hovonoina,*+ 23 na raha tsy hitany ilay olona ka voazerany vato, nefa izy tsy fahavalon’ilay olona na te hanisy ratsy azy, ka maty ilay olona, 24 dia hotsarain’ny fiangonana araka ireo didy ireo ilay namely sy ny mpamaly ra.+ 25 Avy eo dia hovonjen’ny fiangonana mba tsy ho tratran’ny mpamaly ra ilay nahafaty olona, ka haverina any amin’ilay tanàna fialokalofana efa nalehany tamin’izy nandositra. Hipetraka any izy mandra-pahafatin’ny mpisoronabe izay nohosorana menaka masina.+

  • Deoteronomia 4:42
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 42 Raha misy olona mahafaty olona tsy nahy nefa tsy nankahala an’ilay olona talohan’izay,+ dia handositra any amin’ny iray amin’ireo tanàna ireo izy, ka ho velona.+

  • Deoteronomia 19:3-5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Tokony hozarainao telo ilay tany omen’i Jehovah Andriamanitrao ho anao. Amboary ny lalana mankany amin’ireo tanàna ireo, mba ho afaka handositra any amin’ny iray amin’ireo izay nahafaty olona.

      4 “Izao no tokony hataon’izay namono olona ka mahazo mandositra any mba tsy ho faty: Raha nahafaty olona tsy nahy izy nefa tsy nankahala an’ilay olona,+ 5 ohatra hoe tamin’izy niaraka tamin’ilay olona haka kitay tany anaty ala, dia nanainga famaky izy mba hikapa hazo, nefa niala tamin’ny tahony ny lelan’ilay famaky ka nahavoa an’ilay olona ary maty ilay olona, dia tokony handositra any amin’ny iray amin’ireo tanàna ireo izy mba tsy ho faty.+

  • Josoa 20:7-9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Nohamasinin’izy ireo* àry i Kedesy+ any Galilia any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Naftaly, sy Sekema+ any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima, ary Kiriata-arba,+ izany hoe Hebrona, any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda. 8 Ary ireto avy no nofidin’izy ireo tany amin’ny faritr’i Jordana, atsinanan’i Jeriko: I Bezera+ any an-tany efitra, eny amin’ny lembalemba,* no avy tamin’ny fokon’i Robena; Ramota+ any Gileada no avy tamin’ny fokon’i Gada; ary Golana+ any Basana no avy tamin’ny fokon’i Manase.+

      9 Ireo tanàna ireo no nofidina ho an’ny Israelita rehetra sy ho an’ny vahiny nonina teo amin’izy ireo, mba ho afaka handositra any izay nahafaty olona tsy nahy.+ Amin’izay izy dia tsy ho faty novonoin’ny mpamaly ra, alohan’ny hitsarana azy eo anatrehan’ny vahoaka.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara