-
2 Samoela 15:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Dia nandefa mpitsikilo nanerana ny foko rehetra teo amin’ny Israely i Absaloma, ka nilaza tamin’izy ireo hoe: “Raha vao mandre feon’anjombona ianareo, dia milazà hoe: ‘Lasa mpanjaka ao Hebrona i Absaloma!’”+
-
-
1 Tantara 6:54-56Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
54 Ireto avy ny tanàna kelin’ny Levita sy ny toerana nasiany toby* tao amin’ny faritra nipetrahany: Nahazo ny anjara voalohany ny taranak’i Arona anisan’ny fianakavian’ny Kehatita rehefa natao ny antsapaka, 55 ka nomena azy ireo i Hebrona+ ao amin’ny tanin’i Joda, sy ny kijana manodidina azy. 56 Nomena an’i Kaleba+ zanak’i Jefone anefa ny faritra sy tanàna kely manodidina an’i Hebrona.
-