-
Nomery 32:20-22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Ary hoy i Mosesy tamin’izy ireo: “Izao àry: Raha mandray ny fiadianareo ianareo mba hoentinareo miady eo anatrehan’i Jehovah,+ 21 ary raha samy mandray ny fiadianareo ianareo ka miampita an’i Jordana eo anatrehan’i Jehovah, rehefa mandroaka ny fahavalony hiala eo anatrehany izy,+ 22 mandra-paharesy an’ilay tany eo anatrehan’i Jehovah,+ dia mahazo miverina ianareo.+ Tsy ho meloka eo imason’i Jehovah sy ny Israely ianareo amin’izay, dia ho lasanareo eo anatrehan’i Jehovah ity tany ity.+
-
-
Deoteronomia 3:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 “Dia nanome an’izao didy izao anareo aho: ‘Efa nomen’i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity tany ity mba halainareo ho anareo. Handray ny fiadiany daholo ny lehilahy mahery fo eo aminareo, dia hiampita eo alohan’ny Israelita rahalahinareo.+
-