-
Josoa 15:16-19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Dia hoy i Kaleba: “Izay lehilahy maharesy an’i Kiriata-sefera ka mahazo an’io tanàna io, dia homeko ho vadiny i Aksa zanako vavy.” 17 I Otniela,+ zanak’i Kenaza+ rahalahin’i Kaleba, no nahazo an’ilay tanàna, ka nomen’i Kaleba azy ho vadiny i Aksa zanany vavy.+ 18 Rehefa nankany an-tranon’i Otniela i Aksa, dia nampirisihiny hangataka saha tamin’i Kaleba rainy i Otniela. Dia niala* teo ambony ampondrany i Aksa, ka hoy ny rainy: “Inona no ilainao?”+ 19 Dia hoy i Aksa: “Mba omeo fanomezana aho, azafady. Efa nomenao tany kely any atsimo* ihany aho, fa mba omeo ahy koa i Golota-maima.”* Nomen’i Kaleba azy àry i Golota Ambony sy Golota Ambany.
-