-
Mpitsara 3:9-11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Rehefa niantso vonjy tamin’i Jehovah izy ireo,+ dia nisy olona nasain’i Jehovah namonjy azy ireo.+ Tsy iza izany fa i Otniela+ zanak’i Kenaza zandrin’i Kaleba. 10 Ary niasa tamin’i Otniela ny fanahin’i Jehovah,+ ka lasa mpitsara teo amin’ny Israely izy. Rehefa nandeha niady tamin’i Kosana-risataima mpanjakan’i Mezopotamia* izy, dia nataon’i Jehovah nandresy. 11 Dia nilamina nandritra ny 40 taona ilay tany. Ary maty i Otniela zanak’i Kenaza, tatỳ aoriana.
-