-
Nomery 11:16, 17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Manangòna 70 lahy amin’ny anti-panahin’ny* Israely, dia izay fantatrao hoe anti-panahy sady mpifehy eo amin’ny vahoaka.+ Ento mankeo amin’ny tranolay fihaonana ry zareo, dia asaivo mijoro miaraka aminao eo. 17 Fa hidina aho+ ka hiresaka aminao eo.+ Ary hangalako ny fanahy+ ao aminao ka hataoko ao amin-dry zareo. Dia hanampy anao hitondra ny vahoaka ry zareo, amin’izay tsy ianao irery no hitondra an’izany enta-mavesatra izany.+
-
-
Mpitsara 14:5, 6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Dia nidina nankany Timna i Samsona sy ny rainy ary ny reniny. Rehefa tonga tany amin’ny tanimboaloboka tao Timna i Samsona, dia nisy liona* nierona nanatona azy. 6 Dia nanome hery azy ny fanahin’i Jehovah,+ ka nozarainy roa hoatran’ny nizara zanak’osy ilay liona, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tanany. Tsy noteniteneniny tamin’ny rainy sy ny reniny anefa izay nataony.
-
-
1 Samoela 11:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Rehefa henon’i Saoly izany teny izany, dia nanome hery azy ny fanahin’Andriamanitra,+ ka tezitra be izy.
-
-
2 Tantara 15:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Ary niasa tamin’i Azaria zanak’i Odeda ny fanahin’Andriamanitra.
-