FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mpitsara 3:9, 10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Rehefa niantso vonjy tamin’i Jehovah izy ireo,+ dia nisy olona nasain’i Jehovah namonjy azy ireo.+ Tsy iza izany fa i Otniela+ zanak’i Kenaza zandrin’i Kaleba. 10 Ary niasa tamin’i Otniela ny fanahin’i Jehovah,+ ka lasa mpitsara teo amin’ny Israely izy. Rehefa nandeha niady tamin’i Kosana-risataima mpanjakan’i Mezopotamia* izy, dia nataon’i Jehovah nandresy.

  • Mpitsara 6:34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 Ary niasa tamin’i Gideona ny fanahin’i Jehovah,+ ka nitsoka anjombona izy.+ Dia nankany aminy ny Abi-ezerita+ mba hanohana azy.

  • Mpitsara 11:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Dia niasa tamin’i Jefta ny fanahin’i Jehovah,+ ka nandalo tany amin’ny faritr’i Gileada sy Manase izy mba ho any Mizpe any Gileada.+ Ary avy tany Mizpe any Gileada izy, dia nanohy ny diany ho any amin’ny Amonita.

  • Mpitsara 14:5, 6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Dia nidina nankany Timna i Samsona sy ny rainy ary ny reniny. Rehefa tonga tany amin’ny tanimboaloboka tao Timna i Samsona, dia nisy liona* nierona nanatona azy. 6 Dia nanome hery azy ny fanahin’i Jehovah,+ ka nozarainy roa hoatran’ny nizara zanak’osy ilay liona, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tanany. Tsy noteniteneniny tamin’ny rainy sy ny reniny anefa izay nataony.

  • 1 Samoela 10:10, 11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Dia lasa nankeny amin’ilay havoana izy ireo, ka nifanena tamin’ny mpaminany maromaro. Tonga dia nanome hery an’i Saoly ny fanahin’Andriamanitra,+ ka naminany+ niaraka tamin’izy ireo izy. 11 Rehefa nahita azy naminany niaraka tamin’ny mpaminany izay rehetra nahafantatra azy taloha, dia nifampiresaka hoe: “Fa naninona ity zanak’i Kisy? Mpaminany koa angaha i Saoly?”

  • 1 Samoela 16:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Noraisin’i Samoela àry ilay tandroka nisy menaka,+ ka nanosotra an’i Davida teo anatrehan’ireo rahalahiny izy. Ary nanome hery an’i Davida ny fanahin’i Jehovah, nanomboka tamin’iny andro iny.+ Dia nitsangana i Samoela avy eo, ka lasa nankany Rama.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara