-
Mpitsara 7:24, 25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Ary naniraka olona eran’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima i Gideona mba hilaza hoe: “Midìna mba hanafika ny Midianina, ka sakano ny lalana fiampitana ny ranon’i Beti-bara sy ny Reniranon’i Jordana.” Koa niaraka ny lehilahy efraimita rehetra, dia nosakanany ny lalana fiampitana ny ranon’i Beti-bara sy ny Reniranon’i Jordana. 25 Voasambotr’izy ireo koa ny andrianan’ny Midianina roa lahy, dia i Oreba sy Zeba. Ary i Oreba novonoiny teo amin’ny vatobe iray,+ ka lasa hoe vatoben’i Oreba ny anaran’ilay izy. Fa i Zeba kosa novonoiny tao amin’ny famiazam-boaloboka iray, ka nantsoina hoe famiazam-boalobok’i Zeba ilay izy. Dia mbola nenjehin’izy ireo ihany ny Midianina.+ Ary nentiny tany amin’i Gideona, tany amin’ny faritr’i Jordana, ny lohan’i Oreba sy ny lohan’i Zeba.
-