-
Mpitsara 9:16-18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 “Koa mety ve ny ataonareo raha i Abimeleka no fidinareo ho mpanjaka?+ Tena amim-pahatsorana ve no anaovanareo an’izany? Tsara fanahy amin’i Jerobala sy ny ankohonany ve ianareo, ka izay mendrika hatao aminy no ataonareo aminy? 17 Niady ho anareo ny raiko,+ ary nanao vivery ny ainy izy mba hamonjena anareo tamin’ny Midianina.+ 18 Izao anefa ianareo manohitra ny ankohonan-draiko, dia novonoinareo teo ambony vato iray ny zanany lahy 70.+ Dia i Abimeleka zanaky ny mpanompovaviny+ koa avy eo no nataonareo mpanjakan’ny olona ao Sekema, satria fotsiny hoe rahalahinareo izy.
-