-
Genesisy 19:6-8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Dia nivoaka nankeo amin’izy ireo teo am-baravarana i Lota sady nohidiany ny varavarana. 7 Ary hoy izy: “Miangavy anareo re aho, ry rahalahiko, mba aza manao ratsy re e! 8 Manan-janaka roa vavy aho ato. Mbola tsy nanao firaisana tamin’ny lehilahy mihitsy izy roa vavy. Aleo re izy mirahavavy no havoakako eto aminareo e! Dia ataovy aminy izay hitanareo fa mety. Fa aza atao na inona na inona ireo lehilahy ireo, satria vahiny ato an-tranoko.”*+
-