-
Josoa 18:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Avy teo amin’ilay tendrombohitra tandrifin’ny ilany atsimo amin’i Beti-horona no nivily nianatsimo ny ilany andrefan’ilay sisin-tany, ka nifarana tany Kiriata-bala, izany hoe Kiriata-jearima,+ tanànan’i Joda. Izany no ilany andrefana.
-
-
1 Tantara 13:5, 6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Novorin’i Davida àry ny Israely rehetra, hatrany amin’ny reniranon’i* Ejipta ka hatrany Lebo-hamata,*+ mba haka ny Vata masin’Andriamanitra any Kiriata-jearima.+
6 Dia niakatra nankany Balaha,+ na Kiriata-jearima any Joda, i Davida sy ny Israely rehetra mba haka ny Vata masin’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana eo ambonin’ny* kerobima,+ dia eo amin’izay iantsoana ny anarany.
-