-
1 Samoela 6:21-7:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Koa naniraka olona nankany amin’ny mponin’i Kiriata-jearima+ izy ireo mba hilaza hoe: “Naverin’ny Filistinina ny Vata masin’i Jehovah. Midìna atỳ, dia ento miakatra miaraka aminareo ilay izy.”+
7 Dia tonga ny lehilahy avy tao Kiriata-jearima, ka nentin’izy ireo niakatra nankao an-tranon’i Abinadaba+ teny amin’ny havoana ny Vata masin’i Jehovah. Ary nohamasinin’izy ireo hiambina an’ilay Vata masin’i Jehovah i Eleazara zanakalahin’i Abinadaba.
-
-
2 Samoela 6:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Novorin’i Davida indray ny miaramila voafantina rehetra teo amin’ny Israely, dia lehilahy 30 000. 2 Dia nankany Bala-joda i Davida sy ny olona rehetra niaraka taminy, mba haka ny Vata masin’ilay tena Andriamanitra.+ Teo anoloan’io Vata io no niantsoan’ny olona ny anaran’i Jehovah Tompon’ny tafika,+ ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana eo ambonin’ny* kerobima.+
-
-
1 Tantara 15:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Dia novorin’i Davida tany Jerosalema ny Israely rehetra, mba hampiakatra ny Vata masin’i Jehovah ho any amin’ilay toerana efa nomaniny hasiana azy.+
-