-
1 Mpanjaka 8:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Tamin’izany fotoana izany, dia novorin’i+ Solomona ny anti-panahin’ny* Israely, sy ny lehibem-poko rehetra, ary ny mpiadidy teo amin’ny fianakaviamben’ny Israely.+ Tonga tany amin’i Solomona Mpanjaka tany Jerosalema izy ireo, mba hampiakatra ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah, avy tany amin’ny Tanànan’i Davida,+ izany hoe Ziona.+
-
-
1 Tantara 13:1-5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Niara-nidinika tamin’ny lehiben’ny arivo sy ny lehiben’ny zato ary ny mpitarika rehetra i Davida.+ 2 Dia hoy i Davida tamin’ny fiangonan’Israely manontolo: “Raha mety aminareo sy eken’i Jehovah Andriamanitsika, dia andao isika haniraka olona hilaza amin’ny rahalahintsika mbola tavela any amin’ny faritra rehetra manerana ny Israely, sy amin’ny mpisorona sy ny Levita any amin’ny tanànany+ misy kijana, mba ho tonga atỳ hiaraka amintsika. 3 Dia andao hoentintsika atỳ ny Vata+ masin’ilay Andriamanitsika.” Tsy niraharaha azy io mantsy ny vahoaka, tamin’ny andron’i Saoly.+ 4 Dia nanaiky hanao an’izany ny fiangonana manontolo, satria hitan’ny olona rehetra fa tsara ilay hevitra. 5 Novorin’i Davida àry ny Israely rehetra, hatrany amin’ny reniranon’i* Ejipta ka hatrany Lebo-hamata,*+ mba haka ny Vata masin’Andriamanitra any Kiriata-jearima.+
-