-
1 Samoela 19:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Tia be an’i Davida anefa i Jonatana+ zanak’i Saoly, ka hoy izy tamin’i Davida: “Mitady hamono anao i Saoly raiko. Mba mitandrema tsara re ianao rahampitso maraina e! Mandehana any amin’ny toerana tsy misy mahalala ary miafena any.
-
-
1 Samoela 20:17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Koa nasain’i Jonatana nianiana indray i Davida noho ny fitiavany azy. Tiany toy ny tenany mihitsy mantsy izy.+
-
-
1 Samoela 20:41Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
41 Rehefa lasa ilay mpanompo dia nipoitra avy teo atsimo, tsy lavitra teo, i Davida. Ary nandohalika izy ka niankohoka tamin’ny tany intelo. Dia nifanoroka izy roa lahy ary samy nitomany, fa i Davida no tena nitomany be.
-