-
Deoteronomia 16:16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 “Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra eo aminao no hiseho eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao, any amin’ilay toerana fidiny: Amin’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay,+ sy ny Fetin’ireo Herinandro,+ ary ny Fetin’ny Trano Rantsankazo.*+ Tsy tokony hisy hitondra tanam-polo rehefa mankeo anatrehan’i Jehovah.
-
-
1 Samoela 2:18, 19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 I Samoela kosa nanompo+ teo anatrehan’i Jehovah. Nanao efoda vita tamin’ny kofehy rongony*+ izy, na dia mbola zaza aza. 19 Nanjairan-dreniny akanjo kely tsy misy tanany koa izy isan-taona. Ary nentiny tany amin’i Samoela izany, rehefa niara-niakatra tamin’ny vadiny izy mba hanolotra ny sorona fanao isan-taona.+
-