21 Dia tonga teo amin’ireo 200 lahy, izay nijanona teo akaikin’ny Lohasahan’i Besora,+ i Davida. Tsy niaraka taminy mantsy izy ireo satria reraka loatra. Ary nitsena an’i Davida sy ny olona niaraka taminy izy ireo. Rehefa tonga teo amin’izy ireo i Davida, dia nanontany hoe nanao ahoana izy ireo.