-
1 Tantara 18:14-17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Nanjaka teo amin’ny Israely rehetra i Davida,+ ary nanao ny rariny sy hitsiny teo amin’ny vahoakany manontolo izy.+ 15 I Joaba zanak’i Zeroia no lehiben’ny tafika,+ Josafata+ zanak’i Ahiloda no mpanoratra ny raharaham-panjakana, 16 Zadoka zanak’i Ahitoba sy Ahimeleka zanak’i Abiatara no mpisorona, ary Saosa no mpitan-tsoratra. 17 I Benaia zanak’i Joiada no lehiben’ny Keretita+ sy ny Peletita.+ Ary ny zanakalahin’i Davida no manam-pahefana ambony indrindra nanarakaraka ny mpanjaka.
-