-
2 Samoela 8:15-18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Nanjaka teo amin’ny Israely rehetra i Davida,+ ary nanao ny rariny sy ny hitsiny+ teo amin’ny vahoakany manontolo.+ 16 I Joaba+ zanak’i Zeroia no lehiben’ny tafika, ary i Josafata+ zanak’i Ahiloda no mpanoratra ny raharaham-panjakana. 17 I Zadoka+ zanak’i Ahitoba sy Ahimeleka zanak’i Abiatara no mpisorona, ary Seraia no mpitan-tsoratra. 18 I Benaia+ zanak’i Joiada no lehiben’ny Keretita sy ny Peletita.+ Ary lasa tompon’andraiki-panjakana* ny zanakalahin’i Davida.
-
-
2 Samoela 23:3, 4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Niteny ny Andriamanitry ny Israely;
Nilaza tamiko ilay Vatolampin’ny Israely+ hoe:
‘Raha olo-marina no mitondra ny olombelona,+
Ka matahotra an’Andriamanitra izy,+
4 Dia toy ny hazavana vao maraina izany, rehefa miposaka ny masoandro,+
Amin’ny maraina tsy semban-drahona.
Toy ny hazavana mamiratra izany, rehefa mitsahatra ny orana,
Ka mampitsiry ny ahitra avy amin’ny tany.’+
-