8 Rehefa henon’i Davida izany, dia nirahiny i Joaba+ sy ny tafika manontolo, anisan’izany ireo miaramilany matanjaka indrindra.+ 9 Ary nivoaka avy tao an-tanàna ny Amonita, ka nilahatra hiady teo amin’ny fidirana amin’ilay tanàna. Nitokana teny an-tsaha kosa ireo mpanjaka tonga hanampy.