18 Nandalo teo anatrehan’ny mpanjaka ny mpanompony rehetra izay niara-nitsoaka* taminy, mba hahitany raha tao daholo izy ireo. Nanao hoatr’izany koa ny Keretita sy ny Peletita+ rehetra, ary ny Gatita+ 600 lahy izay efa nanaraka azy avy tany Gata.+
8 Ireto ny anaran’ireo miaramila matanjaka+ tao amin’ny tafik’i Davida: Joseba-basebeta Takemonita, lehiben’izy telo lahy.+ Nampiasa ny lefony izy, indray mandeha, dia nahafaty 800 lahy.
18 I Abisay+ rahalahin’i Joaba, zanak’i Zeroia,+ no lehiben’ny miaramila telo hafa. Nampiasa ny lefony izy, ka nahafaty 300 lahy. Ary nalaza hoatran’ireo telo lahy ihany izy.+