-
1 Tantara 11:12-14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Ary manarakaraka azy i Eleazara+ zanak’i Dodo Ahohita.+ Anisan’ireo miaramila matanjaka telo izy. 13 Niaraka tamin’i Davida tao Pasy-damima+ izy, ary tonga tao ny Filistinina mba hiady tamin’ny Israelita. Nisy saha feno vary orza naniry tao tamin’izay. Dia lasa nitsoaka ny olona satria natahotra an’ireo Filistinina ireo. 14 Fa izy kosa nijoro teo afovoan’ilay saha ka niaro an’ilay izy, ary namono an’ireo Filistinina. Nanome fandresena miezinezina* i Jehovah tamin’izay.+
-