-
2 Samoela 23:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Ary manarakaraka azy i Eleazara+ zanak’i Dodo+ zanak’i Ahohy. Anisan’ireo miaramila matanjaka telo niaraka tamin’i Davida izy, tamin’izy ireo nila ady tamin’ny Filistinina. Tonga teo ny Filistinina tamin’izay, mba hiady. Dia nitsoaka ny lehilahy israelita, 10 fa izy kosa tsy niala teo. Namely an’ireo Filistinina foana izy, ka tsy nijanona mihitsy raha tsy efa reraka be ny sandriny ary lasa nihenjana be ilay tanany nitazona sabatra.+ Nahatonga fandresena miezinezina* àry i Jehovah tamin’izay andro izay.+ Ary niverina ny miaramila, ka nanaraka an’i Eleazara mba haka an’izay zavatra teny amin’ireo olona novonoiny.
-