FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Samoela 13:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Tsy haharitra anefa izao ny fanjakanao.+ Hifidy lehilahy sitraky ny fony+ i Jehovah, ary hotendren’i Jehovah ho mpitarika ny vahoakany izy,+ satria ianao tsy nankatò an’izay nandidian’i Jehovah anao.”+

  • 1 Samoela 15:27, 28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Rehefa nihodina handeha i Samoela, dia notazonin’i Saoly ny morontongotr’ilay akanjony tsy misy tanany, ka rovitra. 28 Dia hoy i Samoela: “Efa norovitin’i Jehovah hiala aminao ny fanjakan’ny Israely androany, ka homeny ho an’olona tsara kokoa noho ianao.+

  • 1 Samoela 16:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Farany, dia hoy i Jehovah tamin’i Samoela: “Mandra-pahoviana ianao no halahelo be noho ny nataon’i Saoly,+ nefa izy aza efa tsy nekeko ho mpanjakan’ny Israely intsony?+ Fenoy menaka ilay tandroka any aminao,+ dia mandehana. Hirahiko hankany amin’i Jese+ Betlehemita ianao, fa efa nifidy anankiray amin’ireo zanany lahy ho mpanjaka aho.”+

  • 1 Samoela 16:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Noraisin’i Samoela àry ilay tandroka nisy menaka,+ ka nanosotra an’i Davida teo anatrehan’ireo rahalahiny izy. Ary nanome hery an’i Davida ny fanahin’i Jehovah, nanomboka tamin’iny andro iny.+ Dia nitsangana i Samoela avy eo, ka lasa nankany Rama.+

  • Salamo 89:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 “Efa nanao fifanekena tamin’ilay voafidiko aho,+

      Ary efa nianiana tamin’i Davida mpanompoko+ hoe:

  • Salamo 89:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Nahita an’i Davida mpanompoko+ aho,

      Ka nohosorako+ menaka masina izy.

  • Salamo 132:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Ao no hataoko mihamitombo ny herin’i* Davida.

      Efa nanomana jiro ho an’ilay voahosotro aho.+

  • Asan’ny Apostoly 13:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Ary rehefa nesoriny i Saoly, dia notendreny ho mpanjakan’izy ireo i Davida.+ Izao no nambarany momba azy: ‘Nahita an’i Davida zanak’i Jese+ aho. Lehilahy sitraky ny foko izy,+ ary hanao an’izay rehetra tiako.’

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara