5 Koa natolotr’i Jehovah Andriamaniny teo an-tanan’ny mpanjakan’i Syria+ izy. Dia naharesy azy ny Syrianina, ka naka babo be dia be ary nitondra an’ireny tany Damaskosy.+ Nataon’Andriamanitra resin’ny mpanjakan’ny Israely koa izy, ka be dia be tamin’ny vahoakany no matin’io mpanjaka io.