-
2 Mpanjaka 16:5, 6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Tamin’izay i Rezina mpanjakan’i Syria sy Peka zanak’i Remalia mpanjakan’ny Israely, no niakatra hiady tamin’i Jerosalema.+ Nanao fahirano an’io tanàna nisy an’i Ahaza io izy ireo, saingy tsy vitan’izy ireo ny nandresy azy. 6 Tamin’izany fotoana izany i Rezina mpanjakan’i Syria no namerina an’i Elata+ tamin’i Edoma. Dia noroahiny hiala tany Elata ny Jiosy.* Ary niditra tany Elata ny Edomita, ka mipetraka any hatramin’izao.
-