-
2 Tantara 2:13, 14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Alefako any aminao i Hiram-aby,+ mpanao asa tanana mahay sady mahira-tsaina. 14 Vehivavy danita ny reniny, fa ny rainy kosa avy eto Tyro. Manana traikefa izy amin’ny asa momba ny volamena, volafotsy, varahina, vy, vato, hazo, volonondry volomparasy, kofehy manga, lamba tena tsara, ary kofehy mena antitra.+ Mahavita manao sokitra isan-karazany koa izy, sady mahatafavoaka tsara an’izay sary ampanaovina azy.+ Hiara-miasa izy sy ny mpanao asa tanana mahay any aminao ary ny mpanao asa tanana mahay notendren’ny rainao, dia i Davida tompoko.
-