-
1 Mpanjaka 7:13, 14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Naniraka olona haka an’i Hirama+ avy any Tyro i Solomona Mpanjaka. 14 Zanaka mpitondratena avy amin’ny fokon’i Naftaly i Hirama, ary mpanefy varahina avy any Tyro ny rainy.+ Tena havanana sy nahira-tsaina+ ary za-draharaha izy, amin’ny fanamboarana zavatra isan-karazany vita amin’ny varahina.* Dia tonga tany amin’i Solomona Mpanjaka izy, ka nanao ny asa rehetra nampanaoviny.
-
-
2 Tantara 4:11-16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Nanamboatra fitoeran-davenona sy lapelina ary vilia baolina koa i Hirama.+
Dia vitan’i Hirama ny asa nataony ho an’i Solomona Mpanjaka, momba ny tranon’ilay tena Andriamanitra:+ 12 Ny andry roa+ sy ny loha andry nitovy tamin’ny vilia baolina, izay teo an-tampon’ny andry roa; ny harato roa+ nandrakotra ny loha andry roa* teo an-tampon’ireo andry; 13 ny ampongabendanitra 400+ ho an’ny harato roa, ka ampongabendanitra roa andalana ho an’ny harato tsirairay, mba handrakofana ny loha andry roa* teo ambonin’ny andry;+ 14 ny kalesy* folo sy ny koveta folo teo amboniny;+ 15 ny Ranomasina sy ny omby 12 teo ambaniny;+ 16 ny fitoeran-davenona, ny lapelina, ary ny fitrebika.*+ Teo koa ny fitaovana rehetra miaraka amin’ireo, izay nataon’i Hiram-abivy+ tamin’ny varahina nokosehina hangirana. Nataony ho an’i Solomona Mpanjaka izany, ho an’ny tranon’i Jehovah.
-