5 Vitan’i Solomona àry ny asa rehetra tsy maintsy nataony ho an’ny tranon’i Jehovah.+ Dia nampidiriny tao ireo zavatra efa nohamasinin’i Davida rainy.+ Ary nataony tao amin’ny fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra ny volafotsy sy ny volamena ary ny fitaovana rehetra.+