FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 26:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 “‘Fa raha tsy mihaino ahy kosa ianareo na tsy mankatò an’ireo didy rehetra ireo,+

  • Levitikosy 26:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Hanohitra anareo aho, ka ho resin’ny fahavalonareo ianareo.+ Ary hampijaly anareo ireo mankahala anareo.+ Dia handositra ianareo, na dia tsy misy manenjika aza.+

  • Josoa 7:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Mifona aminao aho, Jehovah ô! Tsy hitako intsony izay hotenenina, fa ny Israely aza efa nandositra* teo anoloan’ny fahavalony.

  • Josoa 7:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Nanota ny Israely. Nivadika tamin’ny fifanekena+ nasaiko nohajainy izy ireo. Nakany mantsy ny zavatra voatokana haringana,+ ka nangalariny+ sy nafeniny ary nataony tao amin’ny entany.+

  • 2 Mpanjaka 17:6, 7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Resin’ny mpanjakan’i Asyria i Samaria,+ tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Hosea. Dia nataony sesitany+ tany Asyria ny vahoakan’Israely, ka napetrany tany Hala sy tany Habora izay eo akaikin’ny reniranon’i Gozana,+ ary tany amin’ireo tanànan’ny Medianina.+

      7 Nitranga izany satria ny vahoakan’Israely nanota tamin’i Jehovah Andriamaniny, izay nitondra azy niakatra avy tany Ejipta avy teo ambany fahefan’i Farao mpanjakan’i Ejipta.+ Nanompo* andriamani-kafa+ izy ireo,

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara