-
2 Tantara 30:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Raha miverina amin’i Jehovah mantsy ianareo, dia hamindra fo amin’ny rahalahinareo sy ny zanakareo ny olona naka azy ho babo,+ ka havelany hiverina eto amin’ity tany ity ry zareo.+ Fa mangoraka* sy mamindra fo i Jehovah Andriamanitrareo,+ ka tsy ho izy indray no handa anareo, raha miverina aminy ianareo.”+
-
-
Nehemia 2:7, 8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Niteny tamin’ny mpanjaka koa aho hoe: “Raha mba mety amin’ny mpanjaka, dia mba manaova taratasy homeko an’ireo governora any amin’ny faritra Ampitan’ny Renirano.*+ Amin’izay aho mba havelan’izy ireo handeha soa aman-tsara mandra-pahatongako any Joda. 8 Mba manaova koa taratasy homeko an’i Asafa, mpiambina ny alan’ny mpanjaka.* Amin’izay izy hanome ahy hazo hanaovako ny vavahadin’ny Lapan’ny+ Trano,* sy ny mandan’ny tanàna,+ ary ny trano hipetrahako.” Dia nomen’ny mpanjaka ahy izany,+ satria nanampy ahy ny tanan’ny Andriamanitro.+
-