-
Levitikosy 18:28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 Fa raha tsy mandoto an’ilay tany ianareo, dia tsy voatery handoa anareo ilay tany, tahaka ny nandoavany an’ireo firenena talohanareo.
-
-
Deoteronomia 4:26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 dia hataoko vavolombelona hiampanga anareo ny lanitra sy ny tany anio, hoe tsy ho ela ianareo dia tsy maintsy ho ripaka eo amin’ilay tany izay halainareo ho anareo eny ampitan’i Jordana. Tsy ho ela velona eo ianareo, fa ho ringana tanteraka.+
-
-
2 Mpanjaka 17:22, 23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Ary tsy nitsahatra nanao an’ireo fahotana rehetra nataon’i Jeroboama ny vahoakan’Israely.+ Tsy niala tamin’izany izy ireo, 23 mandra-panaisotr’i Jehovah ny Israely tsy ho eo imasony, araka ny nolazainy tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanompony+ rehetra. Koa nesorina tamin’ny taniny ny Israely ka natao sesitany tany Asyria.+ Ary mbola any izy ireo hatramin’izao.
-